Kaomisionin’ny Ranomasimbe Indianina

Tafapetraka amin’ny toerany i Edgard R.


  • Talata 01 Oktobra 2024

Tontosa omaly tatsy amin’ny Nosy Maorisy ny fandraisam-pahefan'Andriamatoa Edgard Razafindravahy,

Sekretera Jeneraly faha-10 ho an’ny Kaomisionin'ny ranomasimbe Indiana. Izy ihany koa no Malagasy faha-telo mitazona izany andraikitra izany taorian' i tompokolahy Rasolondraibe Henri, izay Sekretera Jeneraly voalohany ny taona 1989, sy i Esoavelomandroso Monique Andréas, ny taona 2004. Isan’ny fanamby nambarany fa hatao ny hampiroboroboana ny famokarana ao amin’ireo Nosy Mpikambana satria fanamby tena iraisana sy itoviana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ka ezahana hametrahana faritra hahafaha-mampitombo an’izany isaky ny firenena, raha sitrak’ireo mpitondra. Ankoatra io, hotanterahina ao Nosy Be ny fihaonana an-tampon'ireo filoham-panjakana sy governemanta an’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny voalohan'ny taona 2025.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT