Notanterahana omaly maraina teny Antanimora ny famindram-pahefana teo amin’ny Talen’ny Fiofanana mitohy sy ny Fikarohana eo anivon’ny Polisim-pirenena (Directeur de la Formation Continue et de la Recherche).
Ny Tale teo aloha, ny Commissaire Divisionnaire de Police Rakotovelo Jean Luc sy ny Tale vaovao, ny Commissaire de Police Randriambelo Mandimbiniaina Mbolanoro. Ity Tale vaovao ity no vehivavy Polisy voalohany voatendry hisahana ny andraikitry ny Tale eo anivon’ny Polisim-pirenena hatramin’izay nijoroany. Efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny Polisim-pirenena ny tenany talohan’ny nahavoatendry azy ho Tale izao. Efa niandraikitra ny Serasera teo anivon’ny Polisim-pirenena, efa lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona sy ny ady amin’ny fitondran-tena tsy mendrika ary farany teo dia lehiben’ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fifandraisana iraisam-pirenena teo anivon’ny Ministeran’ny Filaminana Anatiny. Araka ny nambarany dia atao izay hanarahan’ny Polisy fiofanana eo amin’ny sehatry ny asa mba hialana amin’ny fahazarana fotsiny eo amin’ny fanatanterahana ny asa, tsy maintsy maharaka ny toetr’andro ny Polisy eo anatrehan’ny fivoarana misy amin’ny lafiny rehetra indrindra eo amin’ny fivoaran’ny teknôlôjia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.