Actualités

Kaomisera Alexandre Ranaivoson «Tena miparitaka izay tsy izy ny rongony eto »


  • Talata 20 Oktobra 2020

Niaiky ny kaomisera Alexandre Ranaivoson tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena omaly fa tena miparitaka be eto amintsika tokoa ny rongony.

 

 

 Ny olana anefa hoy izy dia ireo mpivarotra sy mpifoka foana no tratra fa tsy mety ho hita mihitsy ireo tena goavam-be ati-doha mikotrika ity raharaha manga ity. Ho an’ireo izay tratra hoy izy dia milaza hatrany fa olona nandalo no namatsy rongony azy ireny noho izany ny vahoaka ihany no tena lakile iray hahafahana manatratra ny tena ati-doha mikotrika azy ireny. Ny mpivarotra sy ny mpifoka rahateo hoy izy miafina ihany koa ka ireo olona eny ifotony ihany no tena mahafantatra azy ireny. Manao antso avo amin’ny rehetra araka izany kaomisera Alexandre mba hanome vaovao ny polisy tsy tapaka mikasika ireny rongony miparitaka ireny. Nampanantena izy fa hijanona ho tsiambarantelon’ny polisy irery ihany ny fampitam-baovao azony avy amin’ny vahoaka na iza izy na iza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT