Kaominin’Imerintsiatosika

Tontosa ny fanambadian’ny ben’ny tanàna mivady


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Tontosa ny sabotsy teo ny fitsofan-drano ny fanambadian’ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Imerintsiatosika,

Andriambolanarivo Parisoa, sy ny vadiny, Razafimaroson Nanou Nancy. Tao amin’ny Kijana tany mena be, kaominin’Imerintsiatosika ihany, moa no nanaovana izany, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Tononkiran’i Solomona 3: 4 manao hoe «Dia hitako ilay tian’ny fanahiko, ka nohazoniko izy fa tsy navelako handeha…» no noraisin’ireto mpivady vao ireto ho teny filamatra hanorenana izao tokantranon’izy roa izao. Tena nakotroka ny lanonana, raha ny fampitam-baovao, satria dia voalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 2000 no isan’ireo mpanontrona nasaina tamin’izany fanambadiana izany. Hirariana ho tokantrano sambatra hatrany ihany koa ny azy ireo, etsy ankilan’izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT