Actualités

Kaominin’i Ranomafana “Tsy maintsy hampandehanina ny fotodrafitrasa”


  • Talata 18 Aogositra 2020

Nisento kely ny mponin’i Ranomafana taorian’ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hanalalahana ny fisokafan’ny lalam-pirenena ao amin’ny faritra Atsinanana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana,

 

 Barthelemy Samuel Ravelonasy. Brickaville no faritra azo nivoahan’ireo mponina farany teo nefa maro ny asa sy ny fikarakarana ny mombamomba ireo mpianatra ao Toamasina. Tsy azo natao izany nandritr’iny fihibohana tao anatin’ny volana maromaro iny, hoy izy. Mikasika ny fanatanterahana ny tetikasan’ny kaominina dia marihina fa nanatontosa asa voafetra na “service minimum” tao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ny kaominin’i Ranomafana teo ka ilaina ankehitriny ny fiverenana mitafa amin’ny vahoaka satria tsy maintsy nisy zavatra nikorontana noho ny famerana ny fandalovan’ireo tomponandraikitra. Mila averina apetraka, noho izany, hoy izy, ny fifampifehezana. Tsy maintsy hampandehanina koa ireo fotodrafitrasa isam-pokontany toy ny famitana ny lisea mialohan’ny fidiran’ny mpianatra sy ny fananganana ny tsena izay ezahana vita alohan’ny oktobra. Teritery ny fotoana saingy tsy maintsy mihazakazaka, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT