Actualités

Kaominin’Antananarivo renivohitra Nizara haitondra ho an’ny tanora


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Naharitra dimy andro ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpianatry ny Universite Iscam ( Institut Superieure de la Communication des Affaires et du Management) ka ny kilasy Master 1 sy Master 2 sampam-pianarana “Design Thinking”, no nanantanteraka izany.

Mifarana anio eny amin’ny ISCAM moa ity atrikasa ity ka  arahana fanolorana ny tetik’asa, izay marihina fa mbola andiany voalohany ihany izy ity. Eo amin’ny fatanterahana ny asa dia misy ny  manam-pahaizana avy any ivelany hanampy sy nanaraka  ireo mpianatra. 2 taona no vinavina anaovana ny asa fa fanombohany ihany izao. Ny  sampan-draharaha misahana ny kolontsaina sy fiarahamonina  ao amin’ny sampan-draharahan’ny Fizahantany izay ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra moa no isan’ny niahy sy nampiantrano azy ireo hanantontosana ny asa. Nisy ihany koa ireo mpiray miombon’antoka tamin’ny fananterahana izany  toy ny: CUA, ISCAM, ary ny ONUDI. Manodidina ny 35 eo ho eo ny isan’ireo mpianatra nanatrika izany  raha ny fantatra dia ny “Etude de l’Environnenment et Place Publique et Marché” no novoizina tamin’izany ka ny tanjona dia ny hanatsarana ny tanànan’Antananarivo amin’ny fomba maoderina sy mivoatra mba isarihana ny tsirairay ho tia ny Tanana, araka ny fanazavana.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT