Actualités

Kaominin’Andranonahoatra Tsy manao fety manokana fa manampy ny Fokontany


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Misedra olana ny ankamaroan’ireo kaominina eto amintsika, indrindra fa ny resa-bola. Ankoatra ny tsy fahampian’ny

fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana mantsy dia marobe ireo tsy manana fidiram-bola mahavelona, antony mampihemotra ny sasany tsy hankalaza ny fetin’ny 26 jona amin’ity taona ity. Ho an’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Atsimondrano manokana dia tsy manao fety manokana ho an’ny kaominina izy ireo raha araka ny fanazavan’Atoa Hajanirina Ben’ny tanana fa manohana ireo Fokontany miisa 7 izay manao hetsika kosa. Anisan’izany ohatra ireo mikarakara lalao baolina kitra dia ny kaominina no manome loka ireo mivoaka ho mpandresy….Na izany aza dia hisy ny didim-poitra faobe izay hotanterahiny amin’ny volana Jolay ho avy izao izay maimaimpoana ary tsy hanavahana na iza na iza. Mikasika ny Fanadinam-panjakana CEPE notanterahina teny amin’ity faritra ity afak’omaly dia fantatra fa ny kaominina no niantoka ny fitateraka ireo laza adina, ny fanangonana ny antontan-taratasy miazo ny fari-piadidiam-pampianarana ary ny fanampiana ireo mpampianatra nanao ny fitsarana nanomboka omaly.

Pati

Legende : Atoa Hajanirina, Ben’ny tananan’ny kaominina Andranonahoatra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT