Kaominin’Ambatomarina

Mila angovo azo avaozina,


  • Talata 21 Aprily 2026

hoy ny ben’ny tanàna

Nezahana nametrahana ny fandriampahalemana tao amin’ny kaominin’Ambatomarina, distrikan’i Manandriana, faritra Amoron’Imania, ny fifantohana tamin’ny sosialim-bahoaka toy ny fanomezana omby iray ho nofon-kena mitam-pihavanana rehefa andro iraisampirenena tahaka ny 8 martsa teo, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Jean Pierre Randrianamboarina. Isany koa, hoy izy, ny hetsika fambolen-kazo tao anatin’izay taona iray nitantanan’ny tena ny kaominina izay. Nihena tokoa ny trangana halatra tamin’iny taona 2025 iny. Vita «bêton» na lasi-tsimenitra ny tetezan-kazo. Isaorana ny mpitondra fanjakàna nanome ny volan’ny CIAD ho tantanan’ny depiote. Isaorana koa ny depiote nihaino ny hetahetan’ny kaominina ka nanome ny famatsiam-bola. Ankoatra izay lafiny fotodrafitrasa izay dia eo ihany koa ny lafiny fitsaboana izay nanatanterahana fitsaboana maimaimpoana tamin’ny taon-dasa. Nia-raha-niasa tamina fikambanana mpanao asa soa italianina io tamin’ny taon-dasa. Nisy ny fizahana sy fizaràna fanafody maimaimpoana, arakaraky ny aretin’ireo olona nozahàna. Hisy ny fifanarahana ho atao mifandraika amin’izay hijerena kokoa ny aretina mpahazo ny loha, ny nify, ny sofiny sy izay tafiditra anatin’ny antsoina hoe ORL rehetra. Mety hisy, araka izany, ny fananganana ivontoerana ara-pahasalamàna na «centre médical» satria ny fitaovana efa ao. Miandry ny minisitera tomponandraikitra hanamora ny dingana. Miisa 11 ny fokontany ao Ambatomarina. Miisa 21.000 ny mponina ao ary mivelona amin’ny voly vary sy voly an-tanety toy ny mangahazo, amin’ny ankapobeny. Zara raha mahavita ny karaman’ny antsasak’ireo mpiasan’ny kaominina hatreto ny famatsiana omen’ny fanjakàna ka tokony mba hampiakarina 60 tapitrisa Ariary isan-taona any raha toa ka 24 tapitrisa Ariary izy teo. Mila apetraka anaty tetibolam-panjakàna, ampidirina ho lalàna mihitsy, ny hoe 30% omena mivantana ny kaominina. Miantso ny ben’ny tanàna rehetra hiady ho an’izany eny anivon’ireo fahefàna mpanao lalàna. Mila mandroso aloha ny fototra vao mandroso ny firenena manontolo! Mila jiro avy amin’ny angovo azo avaozina io kaominina lalovan’ny lalàmpirenena faha 37 na RN 37 io. Mila miodina ny vokatra ao. Ny mangahazo tokony avadika lafarinina! Ny voanjo tokony avadika menaka! Mila fametrahana angovo azo avaozina izany rehetra izany. Tsy misy ilay FDL na «Fond de développement local» hatreto fa famatsiana tsotra no omena anay solontenan’ny filoham-pirenena eny anivon’ny kaominina. Mitovy amin’ny olon-tsotra ny ben’ny tanàna rehefa maka fotoana amin’ny olom-boatendry ary ampiandrasana antso fa tsy misy valiny. Manana vahoaka marobe mitaraina ao aoriany ao nefa izy ireny. Sanatria mialona olona fa Ramora Favori ve izany mendrika ho hajaina, raisina eny Iavoloha mihitsy, noho ny ben’ny tanàna mitondra vahoaka maro izay mila fandriampahalemana, fahasalamàna, fampandrosoana? Sao dia Ramora favori no tokony hitondra ny kaominina tantananay dia amin’izay voahaja tsara ireo vahoaka nifidy anay ireo, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina Ambohiperivoana
  • Talata 21 Aprily 2026

Mitokona mitaky ny fialan'ny

  • 10 VOLANA ATY AORIANA
  • Talata 21 Aprily 2026

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

  • FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA
  • Talata 21 Aprily 2026

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

Hijery ny tohiny
FTT