Actualités

Kaominina Tanjombato Zazalahy kely miisa 105 no noforaina maimaimpoana


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Zazalahy kely miisa 105 no indray niara-noforaina maimaimpoana ny sabotsy 21 jona lasa teo teny amin’ny Kaominina Tanjombato.

 Avy amina Fokontany miisa dimy izy ireo izay sady notolorana kilalao sy vatomamy. Vokatry ny ezaky ny fikambanana fijery vaovaon’i Tanjombato, tarihin’ny filohany Hoelimanjato no angady nananana sy vy nahitana izany. Raha araka ny fanazavany dia didimpoitra tamin’ny fomba fahiny hatrany no nisy teo amin’ity Kaominina ity hatramin’izay. Nitondra fomba vaovao sy moderna ny fikambanana tamin’ity taona ity izay notsindriany manokana fa vokatry ny hetahetan’ny mponina. Tamin’ny fomba amerikanina no nanaovana ny fandidiana ka dokotera maromaro ihany no nandray an-tanana izany. Tsara moa ny manamarika fa efa 12 volana izao no nisian’ny fikambanana ary efa miparitaka manerana ny Nosy izy. Tanjona kendreny ny hikatsaka ny soa iombonana ho an’ny daholobe fa tsy ho an’olon-tokana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT