KAOMININA TALATAMATY

Namboly hazo teny Ampanotokana Ambohidratrimo


  • Talata 11 Martsa 2025

Notontosaina ny zoma 07 martsa lasa teo ny fambolen-kazo 2025 ny Kaominina Ambanivohitra

Talatamaty izay notarihin'ny Ben'ny Tanana Atoa Elie Dominic sy mpiara-miasa mpanatanteraka eo anivon'ny komina ary ireo Mpanolontsaina voafidy rehetra. Tsy irery izy ireo fa nanotrona sy nifanometanana tamin'izany ireo rantsa-mangaika rehetra misy hatrany amin'ny Fokontany sy ireo fikambanana maro samihafa tsy nanavahana. Taorin'izay no nisy ny fifampiarahabana noho ny nahatrarana taona vaovao, ary teo ihany koa ny fampahafantarana ny rehetra ireo mpiara-miasa sy mpanolontsaina nanoloana ny solontenan’ny fokontany izay fototra iaingan'ny fampandrosoana hanohizana ireo asa indray ao anatin'izao fotoamp-iasana vaovao izao, araka ny fanamafisan’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Mitohy foana ihany koa ny fampianarana sy fanofanana maimaimpoana eo anivon'ny kaominina mba hanampiana ny tanora, raha ny fanamarihana. Anisan’ireny ny informatika, zaitra, fanodinana sakafo, teny Japonais,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT