Kaominina Talatamaty

Namboly hazo 1000 fototra teny Andranovelona Ankazobe


  • Talata 13 Febroary 2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny Andranovelona Ankazobe

ny fambolen-kazo ny kaominina Talatamaty anatin’ny Ambohidratrimo, izay notarihin'ny ben’ny tanàna Atoa Elie Dominique sy ireo mpiara-miasa rehetra ao anatin'ny anatin’io kaominina io, nahitana ihany koa ireo mpanolontsaina kominaly voafidy teo an-toerana. Tsy nanavahana na izay na iza ka nandray anjara mavitrika ihany koa ireo solontenan’ny Fokontany miisa 12 izay notarihin'ireo Filoha sy mpiara-miasa, ary tsy diso anjara ireo fikambanana maro misahana ny sosialy Mponina AUE, ny Mpanetana ara-pahasalamana, solotenan'ny klioba mpanao fanatanjahatena. Manodidina ny 200 teo nanatanteraka izany adidy masina ho an'ny Tanindrazana izany ho fanamaintsoana indray ity Nosintsika ity sady fiarovana tontolo iainana lovainjafy sy ho fiatrehana ny fiovaovan'ny toetr’andro, hoy hatrany ny tatitra. Zanankazo miisa 1000 fototra noho izany no voavoly, ka taorian’izay dia
nisy fiarahana niala voly narahina fanentanana rehetra. Nankasitraka ny Koperativa Cotisse izay izay niantoka ny fitaterana ireo nandray anjara tamin'ny fambolen-kazo ihany koa ny rehetra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT