KAOMININA TALATAMATY

Hamboarina ny fefiloha


  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

hiomanana amin’ny fahavaratra

Miomana tanteraka amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Loharana amin’izany ny fanamboarana ireo fefiloha eny anivon’ny Fokontany hiarovana ny mpianatra sy ny mpiasa. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic fa zary efa fomba fiasan’izy ireo izany. Toraka izany koa ny tata-drano. Misy hatrany ny fidinana hataon’ny Service de developpement hoy izy manokatra sy manidy azy ireny hisorohana ny olana mety hitrandra toy ny tondra-drano. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ireo mpamboly ao anatin’ny kaominina. Tsiahivina fa efa vita ny fefiloha mampitohy ny Fokontanin’Ambohinambo sy Faralaza. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny ao Mahaibahoaka sy ny ao Imerinafovoany. Ho fiarovana ny ain’ny mponina avokoa no anton’izany indrindra fa ireo ankizy madinika sy ireo efa nahazoazo taona. Tsiahivina fa miisa 12 ireo Fokontany mandrafitra ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo fefiloha efa vita !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

Hijery ny tohiny
FTT