Actualités

Kaominina Talatamaty An’arivony ireo hazo efa novolena tao Andranovelona


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Toy ny olom-pirenena rehetra dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanamaintsoana ny tanana hahafahana miaro ny tontolo iainana mba holovain’ny taranaka faramandimby ny kaominina Talatamaty.

Zana-kazo 1000 fototra indray no novolen’izy ireo tao Andranovelona ny faran’ny herinandro teo nahitana ny acacias sy ny bonara. Ny Ministeran’ny tontolo iainana no niantoka ny zana-kazo izay sady mbola manampy ny kaominina amin’ny fanaraha-maso azy ireo ihany koa. Vokatry ny fanampian’ny mpiara-miombon’antoka kosa no nahazoana ny tany izay efa novolena hazo hatrany nanomboka tamin’ny fotoana nahaben’ny tanana an-dRaharinosy Elie Dominic. Ny 90%-n’ireo hazo 600 isa novolena ohatra no velona soa aman-tsara ary hananana fanantenana tamin’ny taona 2022, nahitana palissandre, bois de rose…. Ankehitriny dia niampy 1000 fototra indray izany raha efa nisy hafa ihany koa tamin’ny taona 2021. Miantso ny rehetra mba handray anjara amin’ny fambolen-kazo tahaka izao araka izany ny Ben’ny tananan’i Talatamaty ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Tsy misy afa-tsy ny fambolen-kazo ihany mantsy no hahafahana miaro ny tontolo iainana sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ateraky ny haintany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT