Sahirana tanteraka ny Kaominina Ambanivohitra manoloana ny tsy fandoavan’ny fanjakana ireo tohana maro tokony ho nataony.....
Ho an’ny Kaominina Sahanivotry-Manandona dia nanao fitadiavam-bola mihitsy izy ireo mba hanohanana sy hanaovana ireo asa ao amin’ny tobim-pahasalamana hanorenana ny lakozia noho ny habetsahan’ireo olona mila fitsaboana voatery tsy maintsy miditra hopitaly. Nambaran’ny Ben’ny tanàna, Atoa Rakotonirina Raymond moa fa hatramin’ny volana aogositra taona 2013 dia tsy nahazo io tohana tamin’ny fanjakana io intsony ny Kaominina tantanany ary efa tsy nandray vola mihitsy ireo mpiasa sahanin’izy ireo ao amin’ny tobim-pahasalamana. Nanatrika ity lanonana ity moa ny solombavambahoakan’Antsirabe faharoa, ny Depiote Randrianantenaina José izay anisan’ny nanome anjara biriky amin’izay tohana izay ka nilaza tamin’ireo vahoaka fa amin’ny fivoriana fanitsiana ny tetibolam-panjakana dia hiady mafy ny hampidirana io sora-bola fanohanana ny Kaominina io ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.