Ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka amin'izao fotoana ireo mpiasan'ny kaominina ambanivolon'i Ranomafana (Ambolo) lemak’i Manampanihy any amin'ny distrikan'i Taolagnaro
Noho ny tsy fahantran'ny kaominina, ny tsy fisian'ny fidiram-bola hoentina manao izany ary ny tsy fahaiza-mitantana no anisan' antony tsy mbola nahazoan'ireo mpiasa ireo ny karamany. Mpiasa maherin'ny 20 amin'ity kaominina ity no tratran'izany. Amin'izao fotoana, mpiasa telo ihany no sisa tazana mamoha ny birao. Ny sisa tsy hita fa mitady vola any an-kafa. Tsy misy mandeha amin'ny laoniny ny fampandehanan-draharaha, tsy misy ny asa fampandrosoana. Saika mitovy amin'izany avokoa ireo kaominina any amin'ny distrika iray ity. Manao antso avo amin'ny tomponandraikitra ny mponina any an-toerana. tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.