Actualités

KAOMININA IVONY AMBOSITRA Notafihin’ny andian-dahalo mirongo basy, omby 30 no very


  • Talata 26 Aogositra 2014

Asan-dahalo mahatsiravina no niseho tao Masokombo, ao amin’ny kaominina Ivony-Miara-miasa, distrikan’Ambositra ny alin’ny alahady 24 aogositra lasa teo

Andian-dahalo am-polony mirongo basy no nanafika ity tanàna ity, nanao an-kasomparana sy nangalatra omby. Tsy vitan’ny nitondra ireo omby 30 tao an-tanàna ireto dahalo ireto fa mbola nandripaka ireo akoho amam-borona sy kanakana tao an-toerana ihany koa izay nofiraina tamin’ny famaky no fomba namoan’ireo dahalo ireo biby ireo. Nisy bisikileta iray ihany koa nentin’izy ireo. Mbola any am-panarahan-dia ireo omby very ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Sambany no nisy asan-dahalo toy izao tao Ivony tamin’ity taona ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT