Actualités

Kaominina Ivato Nomena fitaovam-pianarana ny zanaky ny mpiasa


  • Talata 26 Septambra 2017

700 mahery ireo zanaky ny mpiasan’ny kaominina Ivato nizaran’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy fitaovam-pianarana omaly alatsinainy nandritra ny fananganan-tsaina maraina fanao isaky ny alatsinainy.

 

Nahitana kahie, penina, penisilihazo, gaoma ny fitaovana nozaraina. Mitsinjo ireo ray aman-dreny amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao ny kaominina. Iaraha-mahalala ny fiakaran’ny vidin’ny fitaovan’ny mpianatra isan-taona. Tsy azo hodian-tsy hita koa ny fahasahiranana ka anton’ny fandraisana anjara atao amin’ireo mpiasa toy izao, hoy ny ben’ny tanàna. Nambarany ihany koa fa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny kaominina avokoa ny mpiasa rehetra ary antoka mampihodina ny raharaham-bahoaka izy ireo ka mendrika ny tolo-tanana toy ny hampaherezana azy hitombo hatrany amin’ny asa fanompoana ny vahoaka eo Ivato. Tsy mitarain-tana-miempaka ny mpiasan’ny kaominina Ivato amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Miara-mientana maneho firaisankina amin’ny asa atao ary mifanampy amin’ny ben’ny tanàna amin’ny fanatanterahana ireo asa marolafy. Nanolotra mari-pankasitrahana ny ben’ny tanàna ireo zanaky ny mpiasa ho fisaorana amin’izao fanampiana izao. Tsy mijanona eo fa mbola hitohy ny asa sosialy ataon’ny kaominina amin’ireo mpiasa ao aminy. Omaly ihany koa nampahafantarana ny mpiasa ireo asa rehetra hatomboka amin’ity herinandro ity. Anisany ny fananganana ny Tranompokonolona vaovao ao Ankadindravola, ny fananganana ny EPP vaovao ahitana efitrano enina ao Tanambao, fanamboarana ny lalana ao amin’ny K7, ny lalana any Andraondrikely sy Ankadindravola. Nanentana ny mpiasa ny ben’ny tanàna samy hazoto amin’ny asa ary tsy hikely soroka amin’ny andraikitra napetraka aminy avy.

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT