Actualités

Kaominina Ivato Misy misoloky hanao kara-tany faobe


  • Zoma 11 Septambra 2020

Misy misoloky hanao kara-tany faobe ao amin’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

 

Tamin’ny alalan’ny peta-drindrina no nampahafantaran’ireo mpisoloky izany izay nahaliana ny maro tokoa. Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny mpitantana ny kaominina anefa dia lainga sy tsaho hiniana haely mba hanakorontanana ny saim-bahoaka sady fisolokiana sy fisandohana andraikitra ny fanaovana izany. Sefo  fokontany sasantsasany no nanao io fampilaza io ary milaza fa mikarakara "kara-tany faobe" izy ireo. Tsy fanjakana manokana anaty fanjakana ny fokontany eto Ivato hoy hatrany ny kaominina. Tsy andraikiny ihany koa ny mikarakara ny kara-tany izay asa saro-pady loatra hoy hatrany izy ireo. Ny Birao Ifoton'ny Fananantany BIF Ivato izay sampandraharaha ato amin'ny kaominina no hany misahana ny fikarakarana ny fanomezana kara-tany. Misy ny fenitra araka ny lalana sy dingana maro arahana fa tsy hatao fahatany izany hoy ny fanamafisan’ny mpitantana ny kaominina. Mampanantena araka izany ireto farany fa tsy hamela fotsiny ny toe-javatra tahaka izao no sady miala tsiny amin’ireo voafitaka.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT