KAOMININA IVATO

Mihazakazaka ny asa fampandrosoana


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Mihazakazaka ny asa fampandrosoana ny tanana ho an’ny Kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

Taorian’ny tapa-bolana nitondran’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa indray dia efa hita taratra sahady izany toy ny fanamboarana ireo foto-drafitrasa mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana. Ankoatra ny arabe mikodana dia voakasika koa ireo karazana lalana any an’elakelan-trano izay mbola hitohy ao amin’ny faritra K4. Tanjon’ny Ben’ny tanana ny mba hahafahana mampandroso araka ny tokony ho izy hatramin’ny farany ny tananan’Ivato manontolo, fanamby efa napetraky nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahiny farany teo. Tsy latsa-danja amin’izany ny sosialim-bahoaka sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay tena mampitaraina ny faritra maro tokoa amin’izao fotoana izao. Fantatra moa fa samy hahazo tombontsoa amin’izany avokoa ny Fokontany rehetra, fa tsy hisy hatao zanak’Ikalahafa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny asa efa vita !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT