Hahazo tranompokonolona vaovao ny ao amin’ny fokontany Ankadindravola, kaominina Ivato. Omaly no notanterahina ny ady fototry ny trano izay hanana refy 25 amin’ny 8 metatra.
Volan’ny kaominina madiodio avy amin’ny hetra naloan’ny mponina no hanaovana ny asa. Kendrena ho vita ao anatin’ny telo volana ny asa goavana indrindra. Aorian’izay vao hiroso amin’ny fandalorana sy ireo kipitsony madinika ny kaominina ka mitentina 20 tapitrisa Ar eo ho eo ny vola holaniana. Tsiahivina fa mbola tafiditra ao anatin’ny faritra Antehiroka ny kaominina Ivato. Nisy ny famonoana omby sy fanaovana ireo fombafomba maro isan-tsokajiny ho fanajana ny hasin’ny tany. Mikasika ny aretina pesta manokana dia fantatra fa efa natsangana eo anivon’ity kaominina iray ity ny “cellule de crise” na tsy mbola nahitana olona marary na trangan’aretina aza tao. Nanambara ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy fa azon’ny tsirairay hatao avy hatrany ny miantso ny laharana maitso 910 ho an’ireo manana tranga mampiahiahy na avy hatrany dia manatona ny hopitaly eny Anosiala ho an’ireo fantatra fa tena mararin’ny pesta. Tsiahivina moa fa efa manana ny tranompokonolona manokana ho azy ny ao Ivato Aeroport sy ny ao Mandrosoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.