Kaominina Itaosy

Nodinihin’ny SLC ny tetibola 2025


  • Talata 23 Jolay 2024

Nifarana omaly Alatsinainy 22 Jolay rehefa nanomboka ny Zoma 19 Jolay lasa teo

ny fivoriana natrehin’ireo mpikambana eo anivon’ny rafitra ifotony fikaonan-doha na ny SLC eo anivon’ny kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano.Kolejy maromaro izy ireo no tonga niatrika sy nandray anjara tamin’izany toy ny avy amin’ny fokonolona, ny sefom-pokontany,ireo mpikirakira ny lafiny ara-pahasalamana, ny fambolena sy ny fiompiana….Nodinihin’izy ireo nandritra izany ny lesoka sy ny tokony harenina momba ny fampiasana ny teti-bolan’ny kaominina taona 2024 hahafahana manatsara ny teti-bolan’ny kaominina taona 2025. Nizotra an-tsakany sy an-davany izany raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana Randrianomenjanahary William. Marihina moa fa ny SLC dia rafitra iray napetraky ny fanjakana mba hakana ny hevitry ny fokonolona amin’ny fampandrosoana ny kaominina iray.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny rafitra ifotony fikaon-doha na ny SLC eo anivon’ny kaominina Itaosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT