KAOMININA ITAOSY

Maodely amin’ny asa fampandrosoana miainga eny ifotony


  • Talata 23 Jolay 2024

Tafiditra ao anatin’ireo kaominina maodely amin’ny asa fampandrosoana miainga eny ifotony ny kaominina Itaosy,

distrikan’Atsimondrano amin’izao. Natsangana manerana ireo Fokontany miisa 6 mantsy ny faritra izay misy filoham-pokonolona iray isanisany ka miisa 25 izy ireo amin’izao. Ireto farany noho izany no mijery ireo maharary ny vahoaka any amin’ny faritra misy azy tsirairay avy ary mitondra izany eo anivon’ny kaominina. Ao anatin’ny fanatanterahana ilay kaominina midina an-kianja rahateo ny Ben’ny tanana Randrianarisoa Jean Richard sy ireo mpiara-miasa aminy amin’izao mitondra ny fandaharan’asany ka mandritra izany no hifanatonana sy hifampiresahan’ny roa tonta, raha araka ny fanazavan-dRandrianomenjanahary William, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana. Ankoatra io fomba fiasan’ny kaominina Itaosy miavaka io dia fantatra fa manga ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny PNUD sy ny USAID. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana nomen’ny MSISS Tatao sy ny tetikasa Rindra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny momna ny fanatsarana ny fitantanana. Nohazavain’ity lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana ity noho izany fa tafakatra 70% ny tahan’ny fampidiran-ketra ao amin’izy ireo amin’izao raha 6 na 10% teo aloha.
Pati
Legende : Randrianomenjanahary William, lefitra voalohan’ny Ben’ny tananan’Itaosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT