KAOMININA ITAOSY

Hamoraina ny kopian’ny mpianatra, omena fiofanana ny tantsaha


  • Alarobia 30 Jolay 2025

Maro amin'ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra no efa mikarakara ireo karazana

antontan-taratasy ilain-janany amin'ny taom-pianarana vaovao 2025-2026 amin'izao. Lolaharana amin'ireny ny fanamboarana kopia mari-pahaterahana. Ho an'ny kaominina Itaosy Atsimondrano manokana dia nambaran'ny Ben'ny tanana Rasolofo Haja fa anisan'ny asa tena imasoan'ny kaominina ny fanatontosana izany ankehitriny. Mpiasan'ny kaominina kinga sy mahay mihitsy no nomena andraikitra hanao izany mba tsy handany fotoana ny olona. Hiezaka hijery ireo mpianatra zanaky ny sahirana ao aminy ihany koa ny kaominina indrindra fa ireo tsy afaka ny hanohy fianarana intsony noho ny fahasahiranana. Tsy latsa-danja amin'izany ny fijerena ireo tantsaha mpamokatra. Ny 80%-n'ny mponina ao Itaosy mantsy dia tantsaha mpamokatra avokoa hoy ny Ben'ny tanana. Omena fiofanana maimaim-poana avokoa izy ireo mandritra izao vakansy lehibe izao no fanatsarana ny asa fihariany. Hahazo tombontsoa amin'izany avokoa na mpamboly na mpiompy hoy hatrany ny fanazavana azo.
Pati
Légende : Ben'ny tananan'Itaosy Rasolofo Haja miezaka manakaiky ny vahoaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT