Tsy dia misy firy intsony ireo mpivady manao tokantrano maso ao anatin'ny Kaominina Fiombonana,
distrikan'Atsimondrano. Saika miroso amin'ny fanambadiana ara-dalana avokoa mantsy ny ankamaroan'izy ireo raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Randriamanantena Georges. Vokatry ny fanentanana eny ifotony sy ny fampianarana nataon'ny kaominina no angady nananana izany. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo ohatra dia mpivady miisa 10 indray no niroso tamin'ny fisoratam-panambadiana faobe tao Fiombonana. Nifanome tanana tamin'ny fanatanterahana izany ny kaominina sy ireo fiangonana misy ao an-toerana izay mbola hanamasina ny fanambadian'izy ireo, raha araka ny fantatra. Ny mba hahafahana mandamina sy mandrindra ny fiaraha-monina no tanjona hoy ny Ben'ny tanana arahin'ny fitsinjovana ny ankizy izay marihina fa lasibatra hatrany rehefa manao tokantrano maso ireo nahitany masoandro.
Pati
Légende : Ireo manam-pahefana nanotrona ireo mpivady vita soratra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.