Actualités

Kaominina Bongatsara Kara-tany miisa 400 no nozaraina tamin’ny mponina


  • Talata 22 Jolay 2014

20 taona no efa nipetrahan’ny mpifindra monina tao amin’ny « village Famonjena » kaominina Bongatsara

Trano labasy no nipetrahan’ny mponina tamin’izany ary amin’izao fotoana izao dia efa manodidina ny 200 tafo mahery ny trano miorina ao amin’ity toerana ity. Nisy ny fikarakarana manokana nataon’ny Ong Famonjena ho an’ireto mpifindra monina ireto ka nisy ny taratasin-tany manodidina ny 400 nozaraina maimaimpoana ho an’ireo mpifindra monina naharitra ela sy nanajary ny tany indrindra. Araka ny fanazavana nomen-dRatefy Tovoharson, talen’ny fandraharahana Bongatsara dia zo fototra tokony  homen’ny Fanjakana ny olona tsirairay na isam-pianakaviana dia tany  mba hahafahan’izy ireo manorina. Mitombo be loatra mantsy ny mponina eto amintsika, hoy ihany izy ka tokony hojerena manokana.  Nisy ny fanokanana tsangambatom-pahatsiarovana nentina nanamarika ny faha-20 taonan’ity « Village Famonjena » ity nandritra izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT