Hanana lisea ho azy manokana ato ho ato ny kaominina Belazao, distrikan’Antsirabe faharoa vokatry ny fiaraha-miasa eo aminy sy ny fikambanana « Mada-Breizh », izay miorina any Quimperlé Finistère Frantsa any. Raha ny nambaran’Atoa guy Douville, filohan’ny
fikambanana dia vokatry ny fangatahan’ireo fokonolona noho ny halaviran’ny fanohizan’ny mpianatra ny fianarana no nahatonga ity fikambanana misy mpikambana 25 ity hanao fitadiavam-bola hanampiana ireo ray aman-dreny. Raha ny fanazavany dia ny volana janoary 2015 no hanomboka ny asa ka valo volana ny faharetany. Misy efitrano miisa 6 izany, izay kendrena hahazaka mpianatra 300 eo ho eo avy hatrany, ka ao amin’ny fokontany Tsarahasina no hiorenany. Raha ny fanazavana nomen’ity teratany vahiny ity dia amin’ny alalan’ny fanangonana Gazety lany andro, izay mahatratra 6 taonina isam-bolana sy finday efa tsy miasa ary ireny saron-tavoahangy plastika ireny no hanangonana ny vola hanorenana ity fotodrafitrasa ity. Marihina fa hotantanin’ny fanjakana moa ity fotodrafitrasa ity rehefa vita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.