Actualités

Kaominina Avaratsena Ambohidratrimo Tafidina 500 Ar ny iray kilao amin’ny tongolobe, mijaly ny tantsaha


  • Talata 07 Novambra 2017

Miaina anaty fahasahiranana tanteraka ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny kaominina ambanivohitra Avaratsena, distrikan’Ambohidratrimo ankehitriny.

 

Raha araka ny fanazavan-dRazakarivony, Ben’ny tanàna any  an-toerana dia tafidina hatrany amin’ny 500 Ar ny iray kilao amin’ny tongolobe ao anatin’ny  kaominina iadidiany  raha  efa tafakatra 600 Ar ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary. Mamokatra tongolo 3.000 taonina isan-taona anefa ity kaominina iray ity, miaraka amin’ny tongolo gasy. Manoloana io tranga io dia tena  tafalatsaka anaty fahasahiranana tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao Avaratsena izay ahitana ny 95 %-n’ny mponina. Tsy mahaleo ny sarany lany tamin’ny fikarakarana ny fambolena ny vidim-bokatra sady mbola hanjakan’olon-tokana ihany koa ny varotra, hoy izy ireo. Olana goavana sedrain’izy ireo ny tsy fahitana lalam-barotra mankany ivelany koa hanaovany antso avo amin’ny fanjakana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT