Kaominina Antsirabe Voalohany
Nizarana fitaovam-pianarana ny zanaky ny mpiasa
Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny zanaky ny mpiasan’ny kaominina ny Fiadidiana ny tanànan’Antsirabe omaly alatsinainy 11 septambra. “Tanjona ny fanampiana ireo ray aman-dreny mba tsy hitrosa vola any amin’ny Banky amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Raha misy fahatarana mantsy ny fandoavana azy dia olana vaovao amin’ny fianakaviana indray”, hoy ny Ben’ny tanàna Razanakolona Paul. Sambany ho an’ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe ity fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny zanaky ny mpiasa tao aminy ity. Mpianatra zanaky ny mpiasa niisa 420 no nizarana fitaovam-pianarana, toy ny kahie niisa 10, niampy fitaovam-panoratana toy ny stylo izay nitentina 9 tapitrisa Ariary. Nambarany koa fa efa eo am-pandinihana ny tentim-bidin’ny saram-pisoratana anaran’ireo mpianatra ny mpitantana amin’izao fotoana ka raha zakan’ny kaominina dia mety hiantohan’ny kaominina ihany koa. Nohamafisiny fa tsy maintsy mahay miara-miasa ny Ben’ny tanàna sy ny mpiasa hitsonjovana ireo sosialin’ny mpiasa toy izao. Tsy nisy fanavahana moa ny fizarana fa nitovy avokoa ny mpiasa rehetra.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.