Nivaha vonjimaika ny olan’ny mpiasan’ny Kaominina Antsirabe renivohitra raha toa ka efa nikononkonona fitokonana ireo mpiasa. Noraisina ny herinandro teo ny karama volana mey 2014 ka izay angamba no antony nampiato ny fitokonana.
Raha ny kajy izany dia mbola misy ny karama roa volana tavela any dia ny jona sy jolay ary hiditra ny faha telo volana amin’ity volana aogositra ity ihany koa. Raha ny nambaran’ireo mpiasa moa dia toa variana loatra amin’ny tsipy kanetibe ingahy Pds miohatra amin’ny fitantanana ny Kaominina ka miantraika any amin’ireo mpiasa izany. Nambaran’ireo mpiasa koa fa nampanantena ny mpitantana, hono, ny Praiminisitra fa handoa manontolo ny trosan’ny kaominina sy ny volan’ny mpiasa saingy toa fampandriana adrisa fotsiny izany hatramin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.