Kaominina Antehiroka

Harenina ny lapan’ny tanàna


  • Talata 29 Aprily 2025

Anatiny tanteraka isika amin’izao fotoana izao amin’ny fanarenana ny kaominina Antehiroka,

hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo, miaraka amin’ny fitantanana vaovao izay tarihiko. Samy mahita ny rehetra, hoy izy, fa na ny birao fiasàna dia efa tranainy be. Misy ampahany amin’ireo mari-trano aza no efa mihozongozona. Nanomboka tamin’ny fandaminana ireo mpiasa ny fanarenana ary, raha sitrapon’Andriamanitra, dia harenina ihany koa ny lapan’ny tanàna. Hisy ny asa fanavaozana ny tanàna ary, araka ny efa henontsika teny anivon’ireo haino aman-jery, dia maro tamin’ireo mpivarotra no nitaraina. Nisy moa ny efa fifampiresahana mialoha tamin’izy ireo saingy nisy tamin’ireo mpivarotra no nanao tatitra vilana ka ireo tsy tonga nivory niaraka taminay no tsy nahalala tsara ny zavatra nifampiresahana tao. Efa niravina ary tsara ny fifandraisana eo amin’ireo mpivarotra sy fiadidiana ny kaominina ankehitriny. Nisy ny fangatahan’izy ireo ny amin’ny resaka sendikan’ny mpivarotra. Ezahan’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa, noho izany, ny hihaino izany hatrany ary hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fangatahan’ireo mpivarotra. Vahaolana nangatahan’izy ireo ny handravàna tanteraka an’io tsena ao Ambohibao io, izay ahitàna mpivarotra miisa 150 eo, mba ho tafo lanitra. Ankoatran’izay dia mba afaka hiditra ao avokoa ny mpivarotra amoron-dalana satria ho mora tazana hoe io no tsenaben’Antehiroka hatramin’izay. Hisy, noho izany, ny fiovàna tsikelikely mikasika ny tsena manomboka amin’ny herinandro. Efa maro amin’ireo mpivarotra amoron-dalana moa no nanaiky ny hiditra anaty tsenabe. Ankoatran’ny tsenan’Ambohibao dia mbola misy hafa koa toy ny ao Morondava sy Ambohijanahary. Ho alamina mihitsy ny isam-pokontany satria reny ny tena ka manahirana ny hiheritreritra hoe tsy hisy lalana andehanan’ireo zanaka hianatra intsony fa feno tsena ny arabe, hoy hatrany ny ben’ny tanàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT