Actualités

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

 

 

 

hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina manoloana ny fihetsiky ny mpanolotsainan’ny Tanana Ramatoa Raharinirina . Nangataka lisitra mba efa ara-informatika, kanefa lisitra tsy hay novakiana. Tsy vita tao anatin’ny 72 ora izany, raha ny fanazavan’i Clémence Raharinirina. Ny kaominina no tsy mahefa ny andraikiny, dia ahilika aty amin’ny fiarakaretsaka, hoy ity Filohan’ny FTAR sady mpanolontsaina kaominaly ity. Izaho ve no manana olana amin’ny Ben’ny tanàna sa ny ben’ny tanàna no manana olana amiko. Hatramin’ny tenany aza dia manenjika ahy, hoy izy. Ny resaka fiarakaretsaka no isan’ny olana. Raha namory ny fiarakaretsaka izy dia hoe inona no hanatsarana io sehatra io. Efa nandefasana “e mail” tamin’ny resaka OMAVET. Tsy tahotra tsy henatra avy eo, fa hoe  alefa ny OMAVET fa aleo tsikelikely. Io no niadivanay nandritra ny 3 taona anefa, hoy i Clémence R. Tsy nihaino izy fa hoe faly ianareo tsara, tsy faly atao manankory. Nahemotra ihany io avy eo. Izaho tsy mitady seza. Lohalisitra IRK kanefa tsy kandinda ho Filohan’ny Filankevitra Monisipaly. Nandeha ny resaka “fourrière” 2 tapitrisa ariary. Izaho tsy niteny tany amin’ny haino aman-jery, niala nenina hoe tsy mety io. Na samy lany tamin’ny lisitry ny “orange” aza dia izaho tsy nanao sonia hoe izay lazain’ny ben’ny tanàna tsy maintsy ekeko, hoy hatrany i Clémence Raharinirina. Niantso firaisankina sy fifanohanana eo amin’ireo fiarakaretsaka eo ambany fitarihany i Clémence Raharinirina, ary naneho fa ny VTM (Vondron’ny Taxi Matihanina), izay nifanandrina tamintsika indray no omen’ny kaominina vahana, hoy izy. Vaky ambatolampy tanteraka ny ady eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ka andrasana izay mety ho fivoarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT