Roa taona izay no nisian’ny Dinan’i Milan na ny “Pacte de Milan” momba ny politikan’ny fizakan-tena ara-tsakafo ho an’ny tanàn-dehibe,
izay nosoniavin’ny Renivohitra miisa 159 tamin’ny 2015. Ankehitriny, dia norombahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny loka momba ny fambolena an-tanàn-dehibe mifandraika amin’io “Pacte de Milan” io, izay mitentina 15.000 euros. Nandritra ny fivorian’ireo ben’ny tanàna 400 maneran-tany sy ny manampahaizana ary ireo solontenan’ny tanàn-dehibe samihafa nivory tany Valence tany Espagne no nahazoana izany. Hatokana ho an’ny tanàn-dehiben’i Fianarantsoa, Mahajanga ary Moramanga ho fampiroboroboana ny fambolena an-tanàn- dehibe io vola io, ka ny kaominina Antananarivo Renivohitra tantanan-Ramatoa Lalao Ravalomanana no hiantsoroka izany noho ny traikefa efa ananany, ary izy efa nanao sonia ny Dinan’i Milan momba ny vina hoe: “Nourrir les Villes” ny volana aprily lasa teo teto Antananarivo. Ny fahasarotan’ny tontolo iainana sy ny vahaolana manoloana izany, izay nananan’Antananarivo Renivohitra no nahazoan ‘ny CUA izany noho ny fanohanana niampy ny fiaraha-miasa mafonja tamin’ny Région Ile-De- France. Voizina eo anivon’ny faritra maro, indrindra ny faritra iva eto Antananarivo Renivohitra izany, izay kely fidiram-bola araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mba ahazoan’ny mponina sakafo sahaza sy ara-pahasalamana. Omaly tolakandro no natolotra ny loka ka ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna, Olivier Randrianarisoa no nandray izany tamin’ny anaran’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. Nisy 53 ny vinavinan’asa avy amin’ny tanàn-dehibe maneran-tany natolotra nandritra io fihaonana io, ary ny loka faharoa no azon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, tamin’ity andiany faharoa ity. Tsiahivina fa miara-miasa akaiky amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny IMV Région Ile-De- France amin’izao tetikasa izao, ary mbola hiitatra amin’ny sehatra hafa manomboka izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.