KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Miandry ny fihaonana amin’ny PDS ireo mpanolontsain’ny tanana


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Nandray ireo mpiasa sy tompon'andraikitra eo anivon'ny Kaomina Antananarivo renivohitra izay manaraka fiofanana

manokana eny amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana (ENAM) ny Filohan’ny Delegasiona manokan’Antananarivo renivohitra Ramanantsoa Harilala omaly Talata 03 Septambra maraina. Notsongaina manokana izy ireo, amin'ny maha-tompon'andraikitra ifotony azy, mba ho fampiroboroboana ny fanjakana tsara tantana eo anivon’ny kaominina. Mahakasika indrindra ny fitantanana amin'ny ankapobeny sy ny fitantanam-panjakana rahateo ny fiofanana arahin’izy ireo. Isan'ireo mpiasa sy tompon'andraikitra manaraka fiofanana ny Tale jeneralin'ny SMA izay misy ny sampandraharaha mpitantana ny fako eto Antananarivo renivohitra sy ny tale jeneralin'ny SMEV. Anisan’ny andrasan’ny maro ihany koa moa ny famahan’ny PDS amin’izao fotoana ny resaka tsena izay tena mampitaraina fatratra ny maro ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpanolon-tsain’ny tanana. Milaza mantsy ny ankamaroan’ireto farany fa manana fitarainana maro avy amin’ny vahoaka tokony hohenoin’ny PDS sy horaisiny ihany koa.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny PDS tamin’ireo tompon’andraikitra omaly . 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT