Olana saro-bahana eto an-drenivohitra ny resaka tsena. Samy tsy nisy
nahavita nandamina azy io avokoa ireo mpitondra nifandimby, indrindra
hatramin’izay niavian’ny fitondrana Tetezamita. Ireny iaraha-nahita
ireny ny gidragidra sy ankiafina eo amin’ny mpiasan’ny Kaominina sy ireo
mpivarotra amoron-dalana tamin’ny fotoanan’i Edgard Razafindravahy. Vao saika hanala sy hamindra ireo mpivarotra eny ......
Analakely hankeny
anilan’ny Magro Behoririka sy aorian’ny pavillon koa ny Pds
ankehitriny nialoha ny fetin’ny fahaleovantena fa tsy tafavoaka.
Andrasana izay tohin’ny fandaminana. Tsy mbola misy tokotaniny koa ny
fampanantenana nataony momba ny fametrahana tsena amin’ny alina.
Fepetra heverina hanatsara ny fidirambolam-bolan’ny Kaominina kosa
anefa ny fampiasana ny tapakilan-tsena maoderina na « ticket misy
code barre » nanomboka tamin’ny herinandro lasa . Misoratra avy
hatrany any amin’ny solosaina any amin ‘ny kaominina ny tapakila
voamarina, izany hoe noraisin’ny mpivarotra ka nandoavany habantsena.
Mora kokoa ny fanaraha-maso ny vola noraisin’ny mpanangon-ketran’ny
kaominina. Tapaka hatreo koa ny kolikoly samihafa mety hataon’ireto
farany. Asa raha vokatr’io fepetra io sahady fa nahazo
fanampin-karama 50% avy ny mpiasa 3 000 mahery eo anivon’ny Kaominina
Antananarivo Renivohitra tamin’iny volana jona iny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.