Actualités

Kaominina Antananarivo renivohitra : Harodana ireo trano tsy ara-dalŕna


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Tsy hilefitra intsony ny kaominina fa hiroso amin’ny fampiharana ny lalŕna. Manomboka amin’ny Alatsinainy izao dia handray fepetra momba ireo fanorenan-trano tsy nahazoana alalana ny kaominina.

Araka ny fanazavan’ny Pds Edgard Razafindravahy dia efa tapitra ny fe-potoana nanaovana fanentanana sy nampitandremana ireo tsy manara-dalàna fa hiditra amin’ny asa amin’izay. “ Omaly Zoma no efa niheverana hanombohana ny asa saingy noho ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taom-baovao teo amin’ny Pds sy ireo mpiara-miasa ary noho ny fahatongavan’ireo mpanelanelana ara-politika ao amin’ny Gic dia nahemotra amin’ny fanombohan’ny herinandro izany”, hoy i Clara, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra . Tsy nambaran’ny Pds mazava anefa izay asa hatao izay, saingy azo heverina fa hisy ny fandrodanana sy ny fanesorana ireo tranoheva manamorona ny lalana. Raha ny vaovao avy amin’ny mpiara-miasa akaiky ny Pds dia efa nisy ny fitsirihana natao ka anisan’ny ahitana fananganan-trano tsy manara-dalàna maro ny faritry ny By pass sy ny Boulevard de l’europe etsy Ankazomanga. Tamin’ity fotoanan’ny krizy ity no tena nahitana izay firoboroboan’ny fananganana tsy ara-dalàna izay, raha ny fanazavana ihany. Tsara ihany koa ny manamarika fa saika tsy manara-dalàna avokoa ireo trano amin’ny faritra iva, toy ny manodidina an’Anosibe, Antetezanafovoany; Angarangarana, Andranomanalina. Ho sarotra ihany, araka izany, ny hanatontosan’ny kaominina ity tetikasa ity.

 
Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT