KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana


  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy manodidina ny 759 isa

avy amin'ny Fokontany 192 mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra no notolorana kopia nahaterahana omaly Alarobia 29.Aprily ho fanamarihana ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizin'ny lalana izay marihina isaky ny datin'ny 12 aprily nokarakarain'ny vovonana miaro ny ankizy na ny PFSCE. Zo fototra ho an'ny ankizy ny fananana kopia nahaterahana ary anisan'ny ezaka lehibe tanterahin'ny vovonana miaro ny ankizy izany ho fanairana ireo tompon'andraikitra rehetra amin'ny fanajana ny zon'ny ankizy, sy ny maha olona ny ankizy. Fandresena lehibe no tanteraka hoy ny Filohan'ny Vovonana PFSCE taorian'ny ezaka natao. Izany dia vokatry fiaraha-miasa tamin'ireo mpiara-miombon'antoka marobe nahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fananan'ny ankizy kopia mari-pahaterana. Mbola maro ihany koa ireo ezaka tokony hatao hoy hatrany ity Vovonana ity. Hitohy amin'ny sehatra hafa izany saingy tsy mivoana amin'ny fiarovana ny zon'ireo ankizin'ny lalana hatrany.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra niaraka tamin'ireo ankizy nomena kopia omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT