Hatsaraina ny fitantanana sy fiarovana ny volam-bahoaka
Nifantoka tamin’ny famantarana ireo sehatra marefo sy ny fametrahana vahaolana hanatsarana ny fitantanana sy hiarovana ny volam-bahoaka. ny atrik'asa notanterahana teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly . Tena zava-dehibe ny fisorohana ny kolikoly amin’ny fanangonana ny vola miditra avy amin’ireo tsena hoy Atoa Feno Ralambomanana filohan'ny délégasionina manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hampitomboana ny vola miditra amin’ny Kaominina sy hanatsarana ny tolotra ho an’ny mponina. Ity hetsika ity dia tanterahina miaraka amin’ny BIANCO, ary tohanan’ny Governemanta Alemaina sy ny GIZ, amin’ny alalan’ny tetikasa mikendry ny hampihenana ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fitantanana ifotony. Tsy voalohany ary azo antoka fa tsy ho farany amin’ny atrikasa, fivoriana, fikaonandoha ity natao omaly ity, fa ny andrasanay hoy ireo olom-pirenena nanontaniana dia asa mandeha ary hita fa mandroso, manaraka izay dia mpiasan’ny kaominina miasa araka ny tokony ho izy fa tsy mikitakita olona, mpiasa manana anton’asa mazava fa tsy hoe manao izao rehetra izao ka tsy hay intsony hoe inona no tena andraikiny. Ary farany dia mila ampiharina ny sazy ho an’ireo mpiasan’ny kaominina na mpiasam-panjakana hita fa manararao-pahefana sy tsy menatra mihitsy mitaky vola aman’olona mba hanaovana asa iray. Ankoatran’ny solontenan’ireo rafitra miasa amin’ny ady amin’ny kolikoly dia tazana nanatrika ity atrikasa ity ihany koa Ny Révérend Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny FJKM teo aloha.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.