Toy ny kaominina sasany dia misedra olana maro ihany koa ny kaominina Anosizato Andrefana,
distrikan'Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan'ny lefitry ny Ben'ny tanana Randriamarompamonjy Georges Alain dia misimisy izy ireo antony tsy hahafahana tena manao asa fampandrosoana marina. Lohalaharana amin'izany ny hamaroan'ny mpivarotra amoron-dalana izay nomarihiny manokana fa tsy misy toerana malalaka hahafahana mamindra azy intsony. Toraka izany koa ny fitohanana eny amin'iny faritra iny ka mampalaina ny olona handeha eny an-toerana. Efa nahita tsirin-kevitra ihany izy ireo raha araka ny fanazavany nanamboatra ny lalana mba hisosa kokoa. Mbola rarivato mantsy ny ankamaroan'izy ireny ka tsy hahafahan'ny fiara misosa tsara. Farany izay tsy kely akory dia ny tsy fisian'ny hetran-trano sy hetran-tany miditra any amin'ny kaominina intsony fa noraisin'ny Fanjakana foibe. Saika miankina betsaka amin'ireto farany mantsy ny vola hahafahana mampiodina ny asa fampandrosoana ao amin'ny kaominina. Na izany aza dia fantatra fa nahavita nanamboatra ny lalana avy eo amin'ny Saropody Coca Cola mivoaka mankeny Ambodirano ihany ny kaominina Toraka izany koa ny asa fanatsarana ny asa fiharian'ny mponina tamin'ny alalan'ny fanomezana zanak'akoho miisa 2.000 isa.
Pati
Légende : Randriamaromanampamonjy Georges Alain, lefitry ny Ben'ny tananan'Anosizato !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.