KAOMININA ANKARAOBATO

Nodimandry ny Ben'ny tanana


  • Alakamisy 27 Novambra 2025

alina Randriamiandrisoa Gilbert, Ben'ny tananan'ny Kaominina

Nodimandry afak'omaly Talata 25 Novambra Ankaraobato, distrikan'Atsimondrano. Vokatry ny tsy Fahasalamana nahazo azy no voalaza fa antony niteraka ny fahafatesany, Ben'ny tanana voafidy tamin'ny anaran'ny antoko Tiako I Madagasikara. Itompokolahy no Ben'ny tanana fahatelo namoy ny ainy tamin'ity taona 2025 ity ho an'ny distrikan'Atsimondrano sy Avaradrano. Nisantatra izany ny Ben'ny tananan'ny Kaominina ambanivohitr'i Talata Volonondry, izay voafidy tamin'ny anaran'ny antoko Tiako I Madagasikara ihany koa. Nanaraka azy ny Ben'ny tananan'ny Kaominina ambanivohitr' Ambohimanambola. Rahampitso Zoma 28 Novambra no alevina ny razana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ny Ben'ny tananan'ny Kaominina Ankaraobato fony fahavelony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT