KAOMININA ANDRANONAHOATRA

Zazalahy kely 60 isa natao didim-poitra maimaimpoana


  • Alatsinainy 07 Jolay 2025

Zazalahy kely 60 isa no indray natao didim-poitra maimaimpoana afak'omaly Sabotsy 05 Jolay

tao anatin'ny Kaominina Andranonahoatra, distrikan'Atsimondrano. Ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ny Ray aman-dReny indrindra amin'izao fiainana mihamafy isan'andro izao no nambaran'ny Ben'ny tanana Rasamison Haja no anton'izany. Notsiahiviny manokana fa tamin'ny taona 2016 ny kaominina no nanomboka nanao hetsika famoran-jaza faobe tahaka izao rehefa vanim-potoanan'ny ririnina. Tsy niova ihany koa ny dokotera niara-niasa tamin'ny kaominina hatramin'izay ary tamin'ny fomba Amerikana no nanaovana izany. Teny amin'ny Fokontany moa no naparitaka ny filazana. Ho an'ireo taraiky dia nanatona ny kaominina avy hatrany izy nanoratra ny anaran-janany. Niroso tamin'ny fampandrenesana ny dokotera ny kaominina taorian'izany ary dia natao ny fandidiana. Fantatra moa fa efa manana ny laharam-pindain'ny dokotera ny kaominina raha sanatria ka.manana olana ilay zaza natao didim-poitra. Na izany aza hoy hatrany ny Ben'ny tanana dia mbola zaza iray ihany aloha hatreto no tratran'izany tato anatin'ny 9 taona. Mbola notolorana vatomamy sy kilalao ireo zaza nodidiana taorian'izany.
Pati
Légende : Mbola nanolotra kilalao tahaka izao koa ny Ben'ny tanana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT