KAOMININA ANDRANONAHOATRA

Ezahina vitaina amin'ny volana


  • Alakamisy 22 Janoary 2026

Jona ny biraon'ny kaominina

Mañana vina lavitr'ezaka sy fohy ezaka maro ny kaominina Andranonahoatra, distrikan'Atsimondrano amin'ity taona vaovao 2026 ity. Ezahina hovitaina amin'ny volana Jona ho avy izao ny biraon'ny kaominîna vaovao izay vatsian'ny vahoaka vola. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana Rasamison Haja dia antsoina hifanome tanana amin'ny mandritra izany avokoa ny kaominina namana manodidina, ny fikambanana, ny olon-tsotra ary ny Fitondram-panjakana. Tsy mandray vola anefa izy ireo fa ny toerana fividianana ireo kojakoja fanamboaran-trano no hatorony ireo malala-tanana ka ireto farany no mandoa mivantana ny vola. Hanentana ny mponin' Andranonahoatra ihany koa izy ireo mba handoa hetra. Ny 60%-n'ny vola miasa sy modina eo anivon'ny kaominîna mantsy dia avy amin'ny hetran-trano sy hetran-tany avokoa raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana hatrany. Toraka izany koa ny fanamboarana ireo lalana any an'elakelantrano izay nitondrany fisaorana manokana ny tetikasa Produir. Raha Fokontany miisa 7 mantsy no mandrafitra ny kaominîna Andranonahoatra dia ny 4 tamin'izany ihany no nahazo tombontsoa teo aloha. Tafiditra ny 3 ankehitriny ary hanomboka tsy ho ela ny asa. Mikasika ny asa fampandrosoana eo anivon'ny kaominîna manokana moa dia mitohy ary hitohy hatrany izany. Farany izay tsy kely akory dia mbola hohamafisina ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana. Nisantarana izany ny fanoloran'ny depiote-n'Atsimondrano jiro marobe ho an'ity kaominîna iray ity.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tananan'ny kaominina Andranonahoatra Rasamison Haja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT