KAOMININA ANDRANONAHOATRA

Asa fanadiovana no hisantarana ny asa fampandrosoana


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Asa fanadiovana no hisantarana ny asa fampandrosoana ho an’ny kaominina Andranonahoatra,

distrikan’Atsimondrano. Taorian’ny nandraisan’ny Ben’ny tanana Rasamison Haja ny fitantanana ny tanana indray mandritra ny 5 taona ho avy dia nirotsaka nanadio tanana izy sy ireo mpiara-miasa aminy nanomboka omaly Alarobia 29 Janoary ka tao amin’ny Fokontany Akany Sambatra no nisantarany izany. Ho entina hitety ireo Fokontany miisa 7 mandrafitra ny kaominina ny asa raha araka ny fantatra ka amin’io herinandro ho avy io dia hitohy ao Andranonahoatra indray izany. Ankoatra izay dia fantatra fa hikarakara ny CEG ao Andranonahoatra ihany koa ny kaominina saingy ny fitadiavana ny tany no mbola olana hahafahan’ny zana-bahoaka rehetra mianatra. Hojerena daholo ihany koa ny lalana eny amin’ny Fokontany tsirairay avy arahin’ny asa fanadiovana ny tata-drano. Hisy ireo faritra hovolena tetezan-kazo ny lalana miditra any aminy ho fanampiana azy ireo mandritra ny fotoam-pahavaratra. Miantso ny mponina ao anatin’ny kaominina mba hanaja ny fahadiovana araka izany ity Ben’ny tanana ity. Toraka izany koa ny fandoavan-ketra, lalam-bola iray hahafahan’ny kaominina ambanivohitra manao ny asa fampandrosoana mipaka any amin’ny isan-tokantrano.
Pati
Legende : Raikitra ny asa fanadiovana tanterahin’ny kaominina Andranonahoatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT