Nankasitraka sy nisaotra manokana ny vahoaka nandray anjara mavitrika nananganana ny lapan’ny tanŕna sy ireo biraom-pokontany vaovao tamin’ny
alalan’ny fandoavan-ketra ny mpitantana ny kaominina Andoharanofotsy teo aloha Randriamalala Anaclet Auguste. Betsaka ireo asa fampandrosoana vita tao anatin’izay taona vitsivitsy izay, araka ny fanazavany. Am-polony maro ireo fotodrafitrasa voapetraka sy natsangana toy ny lalana sy lalankely, ny trano fidiovana, ny famatsiana rano fisotro madio, ny fanavaozana ny fanazavana ireo fokontany, ny fanadiovana ireo tatatra sy lalan-drano na koa ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Tsy tanteraka an-tsakany sy an-davany anefa ireo rehetra ireo raha tsy teo ireo mpiantsehatra samihafa niara-niasa tamin’ny fanatontosana izany. Anisan’izany ireo mpiara-miombon’antoka vahiny mpanampy sy mpanohana ara-teknika sy ara-bola toy ny AFD, ny USAID, ny Wateraid, ny Oneshop/Washup ary ny Jirama. Teo ihany koa ny fiahian’ny fitondram-panjakana miaraka amin’ireo rantsamangaika eny anivon’ny faritra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.