Ezahina hahaleotena ara-bola tanteraka ny kaominina Ampitatafika eny Atsimondrano manomboka izao.
Amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fampidiran-ketra no hanatanterahana izany, hiarahana amin’ny GIZ sy ny Progdis. Nisy omaly ny fiofanana nomena ireo “agent recenseur” efatra isaky ny fokontany notanterahin’ny Progdis izay marihina fa handray an-tanana avy hatrany ny fanisam-bahoaka manerana ireo fokontany 13 eo anivon’ity kaominina iray ity ihany koa. Hahazo vola ireo mpiofana mandritra ny asa tanterahiny ka ny tanjona dia ny mba hahafahany manentana ny isam-baravarana ny amin’ny tokony handoavan’izy ireny hetra. Tsy hanavahana izany na hetran-tany na hetran-trano fa samy voakasika avokoa, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Tsiahivina moa fa tsy voafetra ny fiaraha-miasan’ny Progdis sy ny kaominina Ampitatafika. Mikasika ny fanatsarana ny voka-bary eo anivon’ny kaominina kosa dia fantatra fa olona manodidina ny 100 isan’andro amin’izao fotoana izao no manao asa tana-maro eny an-toerana manadio ny lakan-drano eny Ampitatafika hatreny Ambodiafontsy hahafahana mampidi-drano amin’ireo tanimbary tokony hanaovana izany. Marihina moa fa efa voarara tanteraka ny fanaovam-biriky eny Ampitatafika amin’izao noho ny fahasimban’ny tanimbary maro eny an-toerana hanjary tsy ho afa-mamokatra intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.