Actualités

Kaominina Ampary - Soavinandriana Lehilahy 50 taona saika hanolana zazavavy 8 taona


  • Talata 07 Martsa 2023

Zava-doza no nitranga tany amin’ny kaominina Ampary, distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy ny 28 febroary lasa teo

Lehilahy iray manodidina ny 50 taona efa tsy nisy tako-kenatra intsony ny tapany ambany no saika hanolana zaza vao 8 taona monja. Raha tsiahivina kely ny tantara dia avy nianatra ity farany no nifanena tamin-dRainy teny an-dalana. Rehefa tonga tany an-trano dia izy dia nisolo akanjo sy nametraka kitapo ary niverina indray nitady ny Rainy mba haka vola hamidy goûter. Rehefa teny an-dalana anefa ity zaza ity dia tsy nahita ny Rainy akory. Raha vantany vao tonga teo amin' ny tsena fivarotan-damba akaikin'ny kaominina Ampary izy dia nosintonin'ity lehilahy lehibe tsy mataho-tody ity. Nentiny nankany anaty vary andrefan' ny tsena ity zaza ity taorian’izany ka rehefa tonga tao anaty vary dia notambazany vola 3. 000 Ar ary nasainy nanala pataloha. Nanda mafy tsy nety nanala ny patalohany anefa ilay zaza ka norahonany sy nobedainy ny tanany roa. Nitomany ilay zaza noho izany no sady nikikiaka. Rehefa nisy nampandre ny dadafaran’ilay zaza dia tonga nihazakazaka ka tratra ambodiomby ilay Rangahibe. Mbola saika handositra ihany ity farany noho izany ka saika tratran’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana. Ny 03 Martsa teo no niakatra fampanoavana ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ilay Rangahibe. Ity moa no trangam-panolanana faha-17 niseho tany amin’ny distrikan’i Soavinandriana raha araka ny vaovao azo.
Pati
Legende : Efa tsy nikilaoty intsony ity Rangahibe ity talohan’ny nisamborana azy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT