15 ireo tranom-pivoahana sy fidiovana napetraka isam-pokontany ao Mahajanga. Telo amin’ireo no nasiana fanavaozana ary ny 12 kosa namboarina tanteraka
Fokontany 15 amin’ireo 26 eto Mahajanga no hahazo an’ireo fotodrafitrasa ireo ary anisan’ny hahazo tombony ihany koa ireo manana fahasembanana izay manana trano fivoahana manokana. Tetikasan’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga sy ny mpiara-miombon’antoka aminy no nahafahana nametraka ireo fotodrafitrasa ireo izay tena ilain’ny mponina andavanandro. Mitentin-bidy 325 tapitrisa ariary ny vola nomen’ny vondrona eoropeanina amin’ity tetikasa ity izay ny orinasa Volasoa no mandray an-tanana ny asa. Kendrena hanakaiky ireny tatatra ireny no hanorenana ireo tranom-pidiovana sy fivoahana ireo mba ialana amin’ny fiparitahan’ny loto maro samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.