Actualités

Kaominina Ambohimalaza Nahazo toby fitsaboana nify sy ativava


  • Talata 29 Jolay 2014

Ny 80 %-n’ny Malagasy amin’izao no miaina ao anatin’ny tsy fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Noho ny halafosan’ny fitsaboana nify no volaza fa antony mahatonga izany raha eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana ho an’ny tsirairay, ampian’ny fihinanana zava-mafy izay mivadika ho asidra ao am-bava

Mba hahafahana mampihena io salan’isa io, indrindra fa ho an’ireo mponina eny amin’ny tontolo ambanivohitra, dia nahazo toby fitsaboana nify sy ativava ny ao Ambohimalaza. Ny  faran’ny herinandro teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa. Nisongadina nandritra ny lanonana fa tokony hanatona tobim-pitsaboana in-droa isan-taona raha kely indrindra ny olona iray amin’ny fitsaboana nify sy ativava na marary na tsia. Tokony hobeazina amin’izany avokoa ny rehetra ialana amin’ireo karazana aretina mety hiely any anatin’ireo taova anaty maro samihafa. Ho an’ity kaominina ity manokana dia marobe ireo olona lasibatra, indrindra ny ankizy noho ny tsy fananan’izy ireo toby manokana mandray an-tanana izany. Nosokafana tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa moa ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ho an’ny distrikan’Avaradrano.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT