KAOMININA AMBOHIDRAPETO

Nohavaozina ny biraon’ny kaominina


  • Zoma 22 Septambra 2023

Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Vita toy ny vaovao mihitsy ireo efitrano miisa 12 ao anatiny miaraka amin’ireo karazam-pitaovana mifanaraka amin’izany. Omaly Alakamisy 22 Septambra no notokanana tamim-pomba ofisialy ny foto-drafitrasa, rehefa nasiam-panamboarana nandritra ny 2 taona. Nambaran’ny Ben’ny tanana Nalinirina Andriantsilavo Mihary Manantena nandritra izany fa Andriamanitra no nanao ny trano fa tsy vitan’olombelona irery izany. Ankoatra ity foto-drafitrasa goavana ity hoy izy dia asa marobe ihany koa no efa vita teo anivon’ny kaominina tantanany toy ny lalana, ny fampidirana jiro sy rano, ny fanomezana fiofanana ny ankizy sy ny tanora. Tsy trondro avy hatrany mantsy no omen’izy ireo ireo tanora mitady asa fa fintana hoy ny Ben’ny tanana mba hanazarana ireto farany hikarokaroka sy hanao zavatra. Ny 75%-n’ny asa nampanantenainy ho an’ny vahoakan’Ambohidrapeto araka izany hatreto no efa vitany. Tsy nisy fanampiana moa fa volan’ny kaominina madiodio avy tamin’ny alalan’ny hetra alohan’ny vahoaka avokoa no nahafahany nanavao io biraon’ny kaominina io. Mitentina 140 tapitrisa Ar ny vola lany tamin’izany tao anatin’io roa taona io. Nomarihin’ity Ben’ny tanana ity moa fa raha mipetraka tsara ny fanapariaham-pahefana tena izy manomboka eny ifotony eto amintsika fa tsy misy fanavakavahana toy ny mahazo ireo Ben’ny tanana avy amin’ny antoko hafa ankehitriny dia tena handroso tokoa ny kaominina tsirairay avy. Miantso ireo olom-pirenena rehetra feno 18 taona araka izany ny tenany mba hahay hifidy izay olona hitondra ny tany sy ny firenena mandritra ny 5 taona ho avy hahafahana manatanteraka izany.
Pati
Legende : Tahaka izao ny endrika vaovaon’ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto ankehitriny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT