Kaominina Ambohibary

distrikan’Antsirabe Andoavana 30 000Ar ny fanaovana karapanondro


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Efa ela no mimenomenona amin'ny fahasarotan'ny fikarakarana taratasy ao amin'ny kaominina Ambohibary

ao amin'ny Distrika Antsirabe ireo mponina ao amin'io kaominina io. Mandany fotoana ihany koa ny fiandrasana ny fahavitan'ny taratasy kanefa dia misy ny mandeha an-tongotra ora maro mihitsy vao tonga ao amin'ny biraon'ny kaominina, hoy ny fizaram-baovaon’ireo mponina. Ny tena manahirana dia ny fitakiana vola mihoampampana amin'ireo mpikarakara taratasy. Voalohany amin'izany, andoavana 2000 ar ny fanaovana kopia nahaterahana, manaraka izay ny fanaovana karapanondrom-pirenena dia andoavana vola 30 000 ar, misy aza tafakatra hatramin'ny 50 000 Ar mihitsy izany rehefa tsy mahandry ny familafilana ataon'ny mpiasan'ny kaominina, hoy ny fitarainana. Ara-toekerana, ny fahatongavan'ny orinasa lehibe iray mpamboly legioma tao an-toerana, izay mampiasa tanora maro rehefa fotoana fiotazana dia mampirohotra mankany ireo izay manana karapanondro sy afaka miasa. Tsy mandray kosa izy ireo raha vao tsy ampy taona na tsy manana ny karampanondrom-pirenena hany ka manararaotra ihany koa ny kaominina. Ankoatra izay dia ahelin'ireo mpiasa ao amin'ny kaominina ihany koa ny fa efa tsy manan-kery ao aminy ireo karapanondro tao amin'izy ireo raha toa ka ampiasaina amin'ny resaka fananan-tany sy ny fizaram-panana, hany ka tsy mahatoky mihitsy ireo olona avy any ambanivohitra raha resena lahatra ny hanao karapanondro amina kaominina hafa na vao sambany hanao izany aza, hoy ny fitarainana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT