Ny asan’ny kaominina toy ny fampanofana tany na fananan’ny kaominina
ihany izany izao no tsy azonay atao, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’ambanivohitr’Ambohibao atsimo, Dr Fidy Bariniaina, taorian’ny fanalavam-potoanan’ny fotoam-piasana nomena ireo ben’ny tanàna. Afaka manao ny asa maha ben’ny tanàna anay ankoatran’ireo izahay, hoy izy. Mety tsara ny fanalavana ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny tanàna ho 5 taona satria tsy misy ny sekoly fianarana izany ben’ny tanàna izany. Tsy misy maneran-tany izany fa matetika izay mamim-bahoaka no manao an’io asa io. Mbola mikaviavia aloha no dikan’izany eny am-piandoana. Rehefa manomboka zatra anefa dia efa ho tapitra sahady ilay fotoam-piasana. Tena mety sy ampy ny fanofanana isan-karazany omen’ny fiadidiana ny faritra sy fiaraha-miasa toy ny «coopération allemande» itony saingy ilaina io fanalavana fotoam-piasana io mba hahafahana mampiasa ny traikefa azo anatin’ireny ho entina mampandroso ilay kaominina. Mampirindra tsara ny fotoam-pifidianana koa izay mba tsy hisian’ny fotoana mifanindry. T3 ny fari-pahaizan’ny malagasy amin’ny ankapobeny. Izay no mahatonga an’ilay hoe fifidianana mifanitsaka tsy mety. Mbola betsaka amin’izany no tsy mahay mamaky teny sy manoratra na zara raha mahay. Sary fotsiny izany matetika no jereny. In-3 voafidy teto Ambohibao atsimo aho. Nisongadina tamin’ity fanintelony ity ny fahatongavan’ny famatsiana na «subvention» 30 tapitrisa Ariary. Ho an’ny kaominina tena ambanivohitra be na «2è catégorie» toa anay dia tena nahafahana nanao fampandrosoana maro izany. Tamin’ity aho izao vao afaka nanao izany hoe nantsoina daholo ny sefo fokontany rehetra handrafitra ny tetikasan’ny kaominina. Lasa tena tafidina ifotony sy mahakasika ny fiainan’ny olona ny tetikasan’ny kaominina. Nisy koa moa ny didim-panjakana fananganana ilay hoe «Komity loharano» isaky ny fokontany. Ahitana olona miisa 9 fara-faha keliny io. Ireo no mifandika isam-pokontany sy mamaritra ny tetikasan’ny kaominina manomboka izao. Fanatsarana amin’ny ankapoben’izay fisiana komity loharano sy fisiana vola iasana izay. Apetraka amin’Andriamanitra moa raha mbola ho kandida na tsia, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.